Toekarena

Famokarana trondro Tsy maharaka ny filan’Antananarivo


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Nanatanteraka atrikasa sy fifampizarana traikefa mahakasika ny fiompiana trondro tamin’ilay tetikasa Ampiana vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola mandritra ny 5 taona ireo fikambanan’ny tantsaha mpiompy mivondrona ao amin’ny APDRA.

 Tanjona ny hikarohana mahakasika ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro eto Analamanga sy Vakinankaratra ary any Itasy. Nifarana omaly talata 13 aogositra ity tetikasa Ampiana vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola ity. 1500 no isan’ireo mpiompy trondro misitraka ny tetikasa ary kaominina miisa 30 manodidina ny renivohitra no nahazo tombony. Amin’izao fotoana izao dia tafakatra 15000 Ariary farafahakeliny ny kilaon’ny vidin’ny trondro eto Analamanga ary tsy maharaka ny filan’ny mponina mihitsy ny vokatra. Maro anefa ny tanimbary sy ny dobo midadasika ahafahana miompy trondro saingy olana ihany koa ny tsy fahampian’ny mpamokatra. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahaizan’ny mpiompy trondro noho ny tsy fahampian’ny fampiofanana. Izany rehetra izany anefa no manaratsy ny kalitaon’ny trondro ka ilana ezaka. Mampitaraina ireo teknisianina ihany koa ny vanimpotoana mangatsiaka tahaka izao izay mampihena ny vokatra tahaka ny Tilapia izay mifidy toetr’andro.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT