Toekarena

Famokarana sy fikarohana lalam-bokatra Hanampy ny tantsaha ny fitondram-panjakana


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Tsy hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka intsony ilay hetsika FierMada andiany faha-22 entina hanomezan-danja ireo vokatry ny tantsaha mpamokatra manerana ny Nosy amin’ny taona 2020.

 

 

 Eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eny Mahamasina na eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato indray izany no hatao  hahafahan’ireo tantsaha mitady lalam-barotra vaovao sy mifandray amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena maro. Hanampy amin’ny fanatontosana izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana  teny an-toerana omaly. Nambarany ihany koa fa hanampy amin’ny resaka dokambarotra entina mampahafantatra ny FierMada ny tenany amin’ny taona ho avy  mba hahafantatra sy hahalala izany avokoa ny rehetra. Nomarihin’ny filoha moa fa hanaporofoany ny fanampiana ireo tanora sy tantsaha mpamokatra no antony hanaovany izany hahafahana mampandroso haingana ny firenena. Tsiahivina fa tranoheva manodidina ny 400 isa no mandray  anjara amin’ity hetsika ity izay samy miezaka mampiranty ireo karazam-bokatra mampalaza azy avy.  Manomboka amin’ny mangahazo sy ny vomanga izany ka hatrany amin’ny akoho amam-borona sy ny trondro. Tsy latsa-danja amin’izany ny voasary izay misy karazany maro, ny trondro maina, ny saosisy sy ny koban’i Talatavolonondry…. Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpanao asa tanana izay mamokatra ireo karazana harona sy poketra maro vita amin’ny rofia.  Amin’ny alahady ho avy izao vao hifarana ny hetsika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT