Toekarena

Famokarana sy fanondranana heladrano Nihoaran’i Madagasikara i Inde, saingy…


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Ny firenena indiana no matanjaka indrindra amin’ny lalam-pihariana heladrano. Ny vokatra mivoaka avy amin’io dia ampiasaina hanaovana “produits cosmétiques”.

 

 

Ny avy aty Madagasikara kosa dia hafangaro amin’ireny akora fototra fanamboarana trano ireny. Amin’izao fotoana izao dia efa nihoaran’ i Madagasikara i Inde amin’ny fanondranana heladrano eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny Indiana mihitsy no mpifaninana voalohany amin’ny firenena Malagasy.  Mety hahazo tombony voalohany anefa io firenena io satria mananontanona an’i Madagasikara ny sazy tsy ahafahana handefa entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsiahivina fa 3 volana lasa mantsy izay dia nisy horonantsary navoakan’ny televiziona miteny anglisy iray mikasika ny fampiasana zaza amin’ny toeram-pitrandrahana heladrano any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Niparitaka manerana izao tontolo izao izany horonantsary izany ary nisy fiantraikany amin’ity lalam-pihariana ity. Ilaina ny fandraisan’andraikitra haingana satria efa manambana tsy handray ireo heladrano avy eto Madagasikara intsony ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao noho io horonan-tsary. Efa misy ihany aloha ny fidinana ifotony niarahan’ ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra tamin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny sehatra heladrano tamin’ny faran’ny herinandro nijerevana ny tena zava-misy marina. Natao mihitsy amin’izany ny fanadihadiana manokana satria nampihoro-koditra ny fampisehoana nataon’ireo mpanao gazety vahiny mahakasika ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara ny amin’ny toeram-pitrandrahana sy ny asa atao manodidina io heladrano io. Raha ny isa navoakan’ izy ireo aza dia efa mahatratra 10 000 ireo ankizy miasa amin’ity fitrandrahana ity. Tsy handray ireo vokatra avy aty Madagasikara intsony mihitsy anefa ny tsena iraisam-pirenena ao amin’ny vondrona eoropeana raha tsy misy ny vahaolana mivaingana manoloana ny fampiasana ankizy amin’io sehatra io araka ny fanambarana. Ankoatr’izay dia efa manangasanga any koa ny sazy ho an’i Madagasikara avy amin’ny Amerikanina na dia efa ho 50 hatramin’ny 100 taona teo aza no nanondranan’ny Malagasy ny heladrano tamin’ireo firenena lehibe toy ny any Eoropa, Japon ary Rosia. An-taonina maro isam-bolana ny vokatra mivoaka tamin’izany ary faharoa manarakaraka ny orinasa goavana QMM ity lalam-pihariana ity amin’ny fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaomina amin’ny alalan’ny tamberim-bidy samihafa sady mampidi-bola vahiny betsaka ihany koa.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT