Toekarena

Famokarana Sokola avy eto Madagasikara Hisedra ny tsena iraisam-pirenena sahady


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Ny PromoChocoMada dia fikambanana iray avy any Frantsa izay misehatra amin’ny fampahafantarana ny Sokola avy aty Madagasikara.

 

 

Tanjona ny hanodinana ny kakao Malagasy ho lasa sokola vita eto izay vao haondrana hampidirana vola vahiny. Ny kakao Malagasy mantsy no anisan’ny voasokajy ho tsara indrindra manerana izao tontolo izao ka izany no anton’ny nanaovana ny tetikasa tamin’ny desambra 2018. Ny PromoChocoMada dia miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) ary izy no handray ny vokatr’ireo mpamokatra madinika avy eto Madagasikara aorian’ny fampiofanana omena ireto farany. Ankoatra ny fampahafantarana ny vokatra Malagasy sy ny fampidirana vola vahiny dia tanjona ihany koa ny fampiroboroboana ny fampananana asa amin’ireo mpisehatra satria raha 5 monja ireo mpamokatra Sokola tamin’ny volana jona 2019 dia efa tafakatra 10 sahady izy ireo no miara-miasa amin’ny PromoChocoMada ny volana septambra lasa teo. Andraikitry ny minisitera kosa ny fanohanana ireo mpiantsehatra mba hanaraka tsara ny kalitao maneran-tany ny sokola aondrana avy aty Madagasikara. Sokola 250 tablety na isaky ny mpamokatra no naondrana sahady tamin’ity volana novambra ity ary ezahana ny hampiakarana izany ho 500 tablety isaky ny mpamokatra. Tetsy amin’ny MICA Anosy no nihaonan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny PromoChocoMada sy ny minisitra Lantosoa Rakotomalala nifampidinika ny amin’ny fanatsarana ny famokarana sy ny fanondranana hiantsorohan’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT