Toekarena

Famokarana siramamy Manao andrana ny « Mini-sucrerie » ao Antanamifafy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Mitsimoka tsikelikely ireo orinasa madinika mamokatra ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro.

Iray amin’ireny ny orinasa madinika famokarana siramamy na « Mini-sucrérie » ao Antanamifafy, Kaominina Ambalakida, Distrika Mahajanga II Faritra Boeny. Efa aman-taonany ity orinasa ity no nitsangana saingy izao vao manao andrana famokarana. Nitsidika io orinasa io ny Ministry ny Fampiroborobona ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 14 mey lasa teo mialoha ny ny tena hihodinan’ny orinasa ofisialy. Isaorana hoy ny minisitra ireo rehetra nitàna azy ity ho tonga amin’izao dingana izao. Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eropeana sy fiaraha-miasa tamin’ny ONUDI izay sampan’ny Firenena Mikambana momba ny fampiromboroana ny indostria no nahazoana ity orinasa kely mamokatra siramamy ity ary ny orinasa Apolo International avy any Inde kosa no mpamatsy ny fitaovana sy ireo milina rehetra ao anatiny. Ireo tantsaha ao an-toerana kosa no mpamokatra sy mpamatsy ny fary ahodina ho siramamy. Hotokanana tsy ho ela izy ity ary notsiahivin’Atoa Minisitra fa anisan’ireo Taniketsa indostrialy iray isaky ny distrika araka ny vinan’ny Filoha ny Mini-sucrerie ao Antanamifafy ity.
Jean D.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT