Toekarena

Famokarana “Mila fitaovana maoderina ny tantsaha”


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Vahaolana haingana amin’ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

 dia ny fanodinana ny indostria eto Madagasikara mba tsy hiakaran’ny vidim-piainana loatra. Raisintsika, ohatra, hoy izy, ny menaka izay efa midangana dia tokony averina hiodina aingana ireny orinasa fanodinana voanjo eto an-toerana ireny. Eto amintsika ny akora ary inoana fa hampihena ny vidin’ny menaka izany. Tokony hilofo amin’ny famokarana voanjo bebe kokoa isika. Miha miakatra koa ny siramamy. Tokony sokafana ny SIRAMA. Ampirisihina ny fambolena fary. Ampirisihina ny tantsaha amin’ny famokarana, indrindra, ny vary izay foto-tsakafontsika. Ampidiro ireo fitaovana toy ny traktera, angadin’omby, indrindra, mifanaraka amin’ny tekinolojia ankehitriny toy ireny ampiasain’ny japoney mahavita ketsa aingana dia aingana. Tsy mila mitady zavatra raitra akory fa fitaovana maoderina zakan’ny tantsaha ny vidiny ary mora aminy ny mampiasa izany no ilaina. Tokony ampidinina ny vidin-jezika ary aparitaka izany. Raha mitambatambatra izany dia inoana fa ho voavaha ato anatiny ihany ny olana ara-tsakafo. Mila mandray andraikitra ny fitondrana mba tsy haha ripaka ny Malagasy. Mila sokafana sy amboarina haingana ny lalana hahafahan’ireo vokatra mifamezivezy araka ny tokony ho izy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT