Notanterahana omaly 13 febroary ny fifanaovan-tsonia hividianan’ny orinasa JIRAMA herinaratra amin’ny kaompania CGHV (Compagnie Générale Hydroélectrique de Volobe)
sy ny rangom-pohy hanomezan’ny fanjakana Malagasy alalana io kaompania io hitrandraka herinaratra avy amin’ny toho-drano ao Volobe, Toamasina, mandritra ny 35 taona. Hatomboka amin’ity taona ity ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Volobe izay hamokatra 120 MW ho an’ny faritra Atsinanana sy ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Dingana lehibe amin’ny paikady fanarenana ny orinasa JIRAMA izao tetikasa izao, hoy ny Tale Jeneraly Vonjy Andriamanga. Tanjona hoy izy ny hampidinana ny saran’ny famokarana. Manodidina ny 25 cents dolara no hividianan’ny JIRAMA ny KWH amin’izao fotoana izao ary 7 cents dolara kosa izany amin’ity tetikasa Volobe ity. Mialohan’ ny faran’ny taona 2023 no heverina hamokatra voalohany ity tobim-pampokarana herinaratra avy amin’ny toho-drano ao Volobe ity. Tokan-trano manodidina ny 360 000 no tokantrano hisitraka izany ary miisa 2 tapitrisa ireo olona ho voakasiky ny tetikasa. Ankoatr’izay dia hiteraka asa maherin’ny 400 ny fanatanterahana io tetikasa io. Mikasika ny fisian’ireo olona misoloky milaza ho mpiasan’ny JIRAMA ary mitsirika kaontera any an-tokantrano moa dia nanamafy ny teo anivon’ity orinasa iray ity fa tokony ho mailo ny rehetra ary hitaky ny “badge” an’ireny olona sy ny “ordre de mission”-ny raha sanatria ka misy izany. Tetsy andaniny dia nilaza ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Christian Ramarolahy fa tsy maintsy alefa haingana daholo ireo tetikasa Hydro-electrique amin’izao fotoana izao satria saika efa ela daholo ny fanadihadiana mahakasika azy ireny ary fotoana izao hirosoana hanatanterahana ny asa.
Pati sy Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.