Toekarena

Famokarana herinaratra ao Andekaleka Nanome 11,4 tapitrisa euros ny BEI


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Mitohy hatrany ny famatsian’ny avy eo anivon’ny banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola na BEI

 

 

 

 ho fanohanana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, raha ny fantatra omaly. Nanome 11,4 tapitrisa Euro indray mba hahafahana mametraka ny milina faha 4 ao amin’ny ivontoerana famokarana herinaratra ao Andekaleka ny BEI na dia eo aza ny fahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, hoy ny fanazavana. Fanindroany izany izao no nisian’ity famoaham-bola ho an’ny angovo azo havaozina ity satria tsiahivina fa efa nisy andiany voalohany ny 5 aogositra 2019 teo. Hanampy ny tanjaka eo amin’ny lafiny famatsian-drano amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina ary hanolo ny fampiasana menaka mavesatra misy ankehitriny moa, raha ny fanazavana hatrany, no anton’ity « turbine »  vaovao ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT