Ny 80%-n’ny fianakaviana malagasy no mbola mahandro sakafo amin`ny afon-tsaribao.
Ny 15%-n’ny mponina no manana herinaratra isan-tokantrano. Manana olana goavana amin`ny fahazavana i Madagasikara dia ny tsy fandriampahalemana. Ny delestazy dia misy voka-dratsy amin’ny fiainan`ny orinasa madinika sy salantsalany. Sarotra ny mieritreritra fampandrosoana raha tsy miainga amin`ny politika fananana herinaratra. Mila apetraka ny politikam-panjakana amin’io eran`i Madagasikara, hoy i Saraha Rabeharisoa, filoha nasionalin`ny antoko PLD. Anisan`ny lafo indrindra sady lafo noho ny any Eoropa na firenena maro eto ambonin`ny tany ny vidin`ny herinaratra eto amintsika. Betsaka ny politika azo aroso ary efa niditra tamin`izany i Madagasikara tamin`ny taona 2009 saingy ela be ny fidirantsika tanteraka ao anatiny noho ny bahana politika sy ny safidy tsy mangarahara. Azo atao ny mametraka angovo mora vidy ho an`ny Malagasy raha misy ny fifaninanana eo amin`io sehatra io. Hatreto, ny orinasam-panjakana no mametraka ny vidiny satria izy irery no eo amin`ilay sehatra. Raha misy ny mpifaninana aminy dia miova ny fomba fanao, hoy ny fanazavany. Notsindriany kosa fa tsy atao sehatra tsy miankina iray manontolo ny jiro sy rano fa asiana fifaninanana mba hahafahan`ilay sektora miditra amin`ny atao hoe fifaninanana hahasoa mpanjifa, hahasoa seha-pamokarana miankina amin`ny angovo. Mamaha ny 50%-n’ireo olana amin`ny tsy fandriampahalemana izany, indrindra amin`ny tanàn-dehibe. Nohamafisiny ihany koa fa hiteraka asa ho an`ny tanora ny fanaovana fotodrafitrasa momba ny angovo. Na miainga amin`ny rivotra na masoandro na miainga amin`ny rano (micro na pico-hydraulique). Hahita tombony mivantana ny Malagasy amin`izay ary hiteraka ihany koa fandraharahana madinika. Miainga avy amin`ny tsy miankina mifandray amin`ny kaominina ary mifaninana amin`ny fanjakana izany rehetra izany. Nilaza ity kandidà ho filoham-pirenena ity fa ny akora voajanahary dia misy eto an-toerana, ny teknolojia efa betsaka no mizara azy saingy kosa ny fomba hiaraha-miasa no mila apetraka. Fanatanterahana ao anatin`ny mangarahara no ilaina sady ny antoko PLD rahateo dia mibanjina fitantanana ao anatin`ny fisiana fifaninanana madio sy mangarahara, hoy i Saraha Rabeharisoa nandritra ny valandresaka tamin`ny mpanao gazety.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.