Toekarena

Fametraham-bola any amin’ny banky Natao ho an’ny olona manan-katao, fa tsy ho an’ny madinika


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Maro tamin’ireo olona nanaovana ny fanadihadiana no tsy manana kaonty na mametraka vola any amin’ny banky.

 

 

 

Antony maro no nambaran’izy ireo fa tsy mamparisika  azy hanao izany. Ny vola apetraka any no tsy misy, hoy izy ireo, satria  izay azo anio dia lany, dia toa izay hatrany. Ny karama raisina isam-bolana dia efa voatsinjara amin’ny saram-pianaran’ny ankizy, ny hofantrano, ny jiro sy ny rano ary ny sakafo. Na misy kely mipetraka aza dia mba hitsinjovina ny vody andro ho merika iny, raha sanatria misy marary tampoka ao an-trano.  Tsy afaka mametraka vola any amin’ny banky noho izay antony izay ireo olona nanontaniana. Nambaran’izy ireo koa fa tsy natokana ho an’ny madinika ny fametraham-bola any amin’ny banky na “microfinance” fa natokana ho an’ny olona manan-katao sy ny mpivarotra grosista. Ny ialana amin’ny zana-bola koa no mampalaina ireo olona hanokatra kaonty amin’ny ankapobeny.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT