Toekarena

Famerenam-bola eny amin’ny banky Sahirana ireo mpanao asa tena


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Efa tena manomboka mahazo vahana ary mihalalina ny krizy aterak’ireo fepetra tsy maintsy ampiharina nohon’ny aretina coronavirus.

 

 

Miha-mitombo hatrany ireo olana sahirana amin’ny famerenam-bola eny amin’ny Banky sy ny orinasa mpampindram-bola madinika ireny, indrindra ny mpanao asa tena. Raha ny teo anivon’ny Orinasa mpampindram-bola madinika APEM-PAIQ (Association pour la Promotion des Entreprises à Madagascar- Programmes d’Appui aux Initiatives des Quartiers) dia nanambara ny tompon’andraikitra ny fitantanana, Rtoa Ravelonarivo Warda Sojnackie fa nihena 60% ny tahan’ny vola miverina tamin’ny Orinasa nohon’ny krizy ara-pahasalamana misy eto Madagasikara. Antony hoy izy ny tsy fandehanan’ ireo asa aman-draharaha amin’ny laoniny intsony. Voakasika mafy amin’izany ireo olona misehatra amin’ny asa madinika izay tena misedra olana ankehitriny. Maro amin’izy ireo no tsy mahatafaverina ara-potoana intsony ny vola tokony aloha ary misy mihitsy aza ny tsy mandoa intsony. Amin’izao fotoana izao dia nanapa-kevitra ny APEM-PAIQ fa haato aloha ny fampindramam-bola amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Etsy andaniny dia tsy misy ny fakana ny sazy ho an’ireo tsy mahaloa vola ara-potoana izay tsy mahafeno ny vola tokony haloa. Ho an’ireo izay tsy tonga mandoa mihitsy kosa dia misy ny taratasy natao hametrahan’ireo mpanjifa ny fepotoana eritreretina hahafahana mandoa ny trosa.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT