Toekarena

Famerenam-bola eny amin’ny Banky Miverina amin’ny laoniny ny volana Jolay


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Manomboka manentana ny mpanjifany tsirairay ireo Banky lehibe sy ireo orinasa mpampindram-bola madinika ny amin’ny tokony hamerenana ireo vola nindramina.

 

 

 

Raha tsiahivina dia nanomboka ny faran’ny volana Martsa no nantsoina tsirairay ireo mpanjifa ary maro ny nanao fifanarahana an-taratasy ny amin’ny tsy fahafahana manao ny famerenam-bola isam-bolana. Saika niara-nanaiky avokoa ireo Banky ny amin’ny fanemorana ny fandoavam-bola ka nanome 3 volana (Aprily, Mey ary Jona) ho an’ireo mpanjifany. Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo dia efa nahazo antso sy sms ny ankamaroan’ny mpanjifa ny amin’ny tokony hamerenana ny vola fandoa isam-bolana amin’ny volana Jolay ho avy izao. Mbola maro be anefa ny very asa sy ny fidiram-bola tsy mandeha amin’izay laoniny ary tsy vitsy aza no maika nidi-trosa tamin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Efa nimenomenona avokoa ireo mpanjifa nandray ny antso sy nahazo ny sms tamin’ireo Banky sy Orinasa mpampindram-bola madinika ireo satria tena mbola anatin’ny fahasahiranana avokoa ny maro an’isa. Inoana fa ho maro indray no mbola hangataka fanemorana ny fotoana handoavam-bola manomboka io volana Jolay io ary antenaina fa mbola hisy fandraisan’andraikitry ny fanjakana tahaka ny nanemorana ny fandoavan-ketra mahakasika ity famerenam-bola eny anivon’ny Banky ity.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT