Toekarena

Fambolena tsy mampiasa akora simika Tantsaha 22.000 no efa mampihatra azy


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Efa mahatratra 22.000 isa ankehitriny ireo tantsaha Malagasy mampiasa ilay fomba fambolena tsy mampiasa akora simika. Faritra maro no efa ahitana izany, toy ny any Nosy-Be, SAVA, Avaratra Andrefana,

 

 Atsinanana, hoy i Etancelin Gaetan, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Symabio omaly na ny sendika malagasy mampiasa ny vokatra biolojika. Ireo firenena matanjaka any ivelany hoy izy no tena manafatra ireo karazam-bokatra tsy misy akora simika avy aty Madagasikara ireo toa an’i Etazonia,  La Frantsa, ary ny vondrona Eoropeanina. Hatreto, ny ranom-boankazo vita amin’ny mananasy, ny huille essentielle,  ny épice no tena tadiavin’ireo mpanafatra izay nomarihiny manokana fa lalam-barotra mbola tena malalaka tokoa sady mahavelona tsara. Tamin’ity taona 2017 ity fotsiny dia nahatratra 3.000 taonina ny ranomboankazo vita amin’ny mananasy nohafaran’izy ireo raha 4.000 taonina ny huille essentielle. Na izany aza anefa  hoy Atoa Etancelin dia mbola olana ho an’ireo tantsaha mpamokatra ny tsy fahampian’ny fiofanana mifandraika amin’izany famokarana tsy mampiasa akora simika izany. Nisy omaly ny atrikasa notanterahin’ny sendika  niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy entina hametrahana ny lalam-barotra manara-dalàna mifandraika amin’izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT