Toekarena

Fambolena sy fiompiana Liana ny tanora Malagasy


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Nifarana omaly alahady 6 mey ilay foaran’ny biby fiompy sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA) andiany fahafolo notanterahina tetsy amin’ny CBA By Pass Alasora.

 

 Maro be ireo mpitsidika ary nahafapo ireo mpandray anjara na dia somary nanavao ny toerana aza izy ireo. Ny nahafinaritra dia ny tanora no betsaka liana amin’ny sehatra fambolena sy fiompiana amin’izao, hoy ramatoa Bakoly izay mpamboly sady mpivarotra avy any Anjozorobe tonga nampiseho ny vokany. Betsaka ny mpitsidika sy ny mpandray anjara teto aminay ary ny ankamaroan’izy ireo dia tanora ary mahavelom-bolo izany, hoy ihany izy. Ity no foara be mpitsidika indrindra, hoy kosa Andriamatoa Marcellin mpiompy ireo karazam-bitro sy vorona izay tsy fahita eto Madagasikara fa nohafarana avy any ivelany. Mahavelom-bolo ny tantsaha ny hetsika tahaka izao satria tsy vitan’ny mitsidika fotsiny ny olona fa tena mandray anjara mividy mihitsy. Olana fotsiny ny fahalaviran’ny toerana misy ny ankamaroan’ireo tantsaha ho an’izay mbola te hanjifa satria saika ivelan’Antananarivo daholo no misy azy ireo ary misy aza moa avy any amin’ny faritany mihitsy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT