Toekarena

Fambolena sy fiompiana eto Madagasikara Olana ny lalam-barotra


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Nampahafantarina omaly talata 13 aogositra tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny fisian’ny foara lehiben’ny fambolena sy fiompiana andiany fahatelo (FIA).

 

 

 

 Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 15 septambra eny amin’ny Forello-Expo Tanjombato ity hetsika hanome vahana ny tantsaha ity. Tanjona ny hampifandraisana sy hamondronana ary hanetsehana ny tantsaha sy ny mpandraharaha mpisehatra satria iaraha-mahalala fa izy ireo no maro an’isa ary mamelona ny Malagasy. Hampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ireo sehatra tsy miankina maro hanomezan-danja ny asa famokarana ary hampitodika ny mpandraharaha amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatr’izay dia tarihina ho matihanina ary hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ity foara be ity ny mpamboly sy ny mpiompy eto Madagasikara. Lesoka hatrany ny tsy fisian’ny fiofanana sy ny fampiofanana, ny indrindra ny tsy fisian’ny lalam-barotra ho an’ny tantsaha, hany ka tsy hita ary takona eny amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra sy ny fandraharahana Malagasy. Hatao ihany koa ity hetsika ity ho fampiroboroboana ny toekarena manga (économie bleue) izay hampiroboroboana ny sehatra jono izay efa tena tokony hovoizina eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT