Toekarena

Fambolena sy fiompiana an-dranomasina Vatsian’ny Amerikanina 6,3 tapitrisa dolara ny “Nosy Manga”


  • Alarobia 18 Mey 2022

Nankalaza fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hampiroboroboana ny fiompiana ahidrano sy dingadingana maharitra ny vahoaka Amerikanina amin’ny alalan’ny Sampandraharaha

Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) ny 16 may lasa teo. Miaraka amin’ny Ocean Farmers sy Indian Ocean Trepang, orinasa roa miompana amin’ny fambolena sy fiompiana an-dranomasina eny ifotony izy ireo. “Nosy Manga” no anaran’ny tetikasa, maharitra dimy taona, mitentina 6,3 tapitrisa dolara ary hanohana manokana ny vondrom-piarahamonina any amin’ny faritra Menabe sy Atsimo-Andrefana ary koa ireo vondrom-piarahamonina izay mipetraka manodidina ny Makira, Masoala sy ny Baie d’Antongil (MaMaBaie). "Nosy Manga dia tetikasa iray manana fahafahana lehibe hamorona modely amin'ny famokarana dingadingana sy ahidrano izay hitondra voka-tsoa ho an'ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony," hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID, John Dunlop, nandritra ny lanonam-panokafana ny tetikasa. “Ity fomba fiasa ity dia antenaina hampihena ny fahantrana sady mitahiry ny harena voajanahary ary manatsara ny fahasalaman’ny tontolo iainana an-dranomasina mba hatanjaka kokoa ny sehatry ny fambolena sy fiompiana an-dranomasina eto Madagasikara.” “Nosy Manga” dia misoritra ao anatin’ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana na Global Development Alliance izay misahana ihany koa ny sehatry ny fahasalamana, ny tontolo iainana ary ny fambolena maharitra ho an'ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ilay hetsika iraisam-pirenena antsoina hoe HEARTH, izay iarahan'ny USAID sy ny sehatra tsy miankina mamantatra sy mamaha ireo olana amin’ny lafin’ny ara-pandrosoana. Nosy … Manana morontsiraka midadasika mirefy 5.600 kilometatra i Madagasikara, anisan’izany ny faritra voatokana manokana hampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny jono. Loharanon-karena lehibe ny sehatry ny jono. Tamin’ny 2018, miisa 1,5 tapitrisa ny Malagasy niasa teo amin’ny sehatry ny jono, ka nahatratra 7 isan-jaton’ny harinkarena faobe izany.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT