Toekarena

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka


  • Zoma 07 Jona 2019

Mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina avy amin’ny Corps de la Paix miisa 42 no nampanaovin’ny Masoivohon’i Etazonia Michael Pelletier fianianana nandritra ny lanonana natao teny amin’ny trano fonenany teny Ambaranjana omaly 6 jona 2019.

 

 

Hiasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fambolena sy fiompiana izy ireo taorian’ny fiofanana ara-kolontsaina sy ara-teknika ary fiteny Malagasy nandritra ny 10 herinandro. Handeha hiasa eny anivon’ny fiarahamonina samihafa manerana ny Nosy mandritra ny 2 taona. Ao ireo hiara-kiasa manokana amin’ny vondron’olona eny ambanivohitra hampihatra fomba fiasa vaovao sy tsara kokoa hamokarana sy hiarovana ny tany (anisan’izany ny fambolen-kazo); hampitombo ireo karazan-tsakafo azo jifaina sy ara-pahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny sehatry ny fiompiana. Misy kosa ny hanome tantsoroka sy hiara-kiasa amin’ireo tobim-pahasalamana na CSB (Centres de Santé de Base) sy ny vaomieran’ny fahasalamana na COSAN (Comité de santé) hampandrosoana ny fahasalamana isan-tokantrano amin’ny alalan’ny tetikady vaovao atao hoe “Care Groups” (Vondron’ny reny mpitarika ara-pahasalamana) manaparitaka ny hafatra ara-pahasalamana,.... Izany no asa miandry ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 152 eto Madagasikara amin’izao. Efa mihoatra ny 1.400 ny efa niasa teto Madagasikara hatramin’ny taona 1993.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT