Toekarena

Famatsiana solika Tsy hiasa eto Madagasikara intsony ny Galana ?


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Nisy ny fampahalalam-baovao iray nilaza, fa efa hiroso amin’ny fijanonana tsy hiasa intsony ny orinasa mpamatsy solika Galana.

Voalaza mantsy fa miavosa loatra ny trosa izay tsy voaloan'ny Fanjakana, ka nahatonga ilay orinasa ho sahirana ara-bola. Tsy araka ny tokony ho izy ihany koa anefa etsy andaniny ny vidin'ny solika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, raha ny fanamarihana. Manenjana amin’ireo orinasan-tsolika hitazona ny vidin'ny solika amin'izao ny fanjakana hatreto na efa nisy aza ny fampiomanana nataon’ny Filoham-pirenena eo anatrehan’ny mety ho fiakaram-bidy noho ny krizy iraisam-pirenena ateraky ny ady any Ukraine. Voalaza fa tokony mbola handoa vola amina miliara ariary ho an'ireo orinasa izay efa miha -rendrika tsikelikely ireo ny fanjakana. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa, tsy misy fifaninana teo amin’ny resaka vidin-tsolika teto, fa miray loha hatrany ireo orinasa amin’ny fampiakarana, raha nidina hatrany amin’ny 10 na 5 dolara ny vidiny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taona 2020 dia tsy nihena velively ny teto. Mifampiditra trosa ihany koa ny Fanjakana sy ny kaompania satria voalaza fa ananan’ny fanjakana vola ireo. Hatreto, tsy mety milamina ny kaonty, ka io misy orinasa manambana hisintaka io. Ao anatin'ilay orinasa Frantsay goavana, Rubis Group, ahitana ny Vitogaz sy ny SRPP moa ny Galana amin’izao, ka io vondron’orinasa io no isan’ny mitazona ny tsena goavana amin’ny fanafarana sy fitehirizana ireo vokatra avy amin'ny solika ao amin'ny Nosy La Réunion. Andrasana izay ho tohiny, fa mety hisy akony lehibe raha tanteraka tokoa io fisintahan’ny Galana eto Madagasikara io. Ahiana hampihiba hatrany ny faharisian’ny mpampiasa vola eto noho ny tsy fisian’ny fitoniana ara-pandraharahana na “climat des affares” milamina. Vao tsy ela ihany koa mantsy no nisy olana ny orinasa mpitrandraka fasimainty any Taolagnaro, izay voatery nanakatona tao anatin’ny andro vitsy ny asany noho ny sakana nataon’ireo andian’olona,… Misy mahita ireny ary io fa miseho ihany koa ny olan’ny orinasa hafa izay manaratsy endrika an’i Madagasikara. Raha hiverina kely amin’ny resaka solika, inona marina moa izany no tsy hanalalahan’ny Fanjakana an’io ka hampitomboina ireo orinasa mpaninjara? F’angaha tsy nahomby ihany koa ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana ny novambra 2019 mba hanafatra mivantana ireo entana ilain’ny olona sy ny solika mba hialana amin’ny fanararaotana be ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT