Toekarena

Famatsiana solika ny Jirama Ho fantatra tsy ho ela ny orinasa nahazo ny tsena


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Nisy ny antso tolo-bidy vaovao ahazoana hampihena ny vidin-tsolika izay hafaran’i Madagasikara raha ny fanazavan’ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga.

 

 

Efa nisy ihany koa, hoy izy ny fifanarahana natao tamin’ireo mpandraharaha ny solika eto Madagasikara ka tsy ahiana hisy fiantraikany amin’ny vidin’ny solika eto an-toerana ny fahafahan’ny Jirama manafatra solika any ivelany. Ny 70%-n’ny vola mivoaka eo anivon’ny orinasa  Jirama hatramin’izay dia vidin-tsolika avokoa, anisan’ny antony mamparefo ny orinasa. Ho fanohizana ny ezaka izay efa natomboka amin’ny fanarenana ny orinasa no antony tsy hirosoana amin’ny fanafarana any ivelany. Efa nisy ny antso tolo-bidy natao hahazoana solika amin’ny vidiny mirary ka ny volana novambra izao no fantatra izay orinasa vaovao hahazo ny tsenam-barotra. Hahazo tsenam-barotra vaovao ny Jirama hamatsiana azy. Etsy an-daniny, tafiditra ao anatin’ny paik’ady amin’ny fanarenana ny orinasa ihany koa ny fahafahan’ny orinasa manafatra solika tsy mandalo tsenam-barotra, raha ny nambaran’ny minisitra hatrany. Fanapahan-kevitra izay nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra rahateo izany tamin’ny 11 septambra lasa teo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT