Toekarena

Famatsiana omby Hiato tanteraka amin’izay


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Nanazava ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao ao Tsiroanomandidy ny mpitondra tenin’ny FIraisankinan’ny MPIhary OMBY avy amin’ny foko 18 na ny FIMPIOMBY, Randielison William.

 

 Mirongatra be ny asan-dahalo sy ny vono olona ary saika isan’andro dia misy omby very hatrany, hoy izy. Na ny omby miditra ny tsena aza dia mahagaga fa voasakan’ny dahalo ihany koa kanefa efa misy miaramila manaraka azy. Ny omby sisa tonga eny amin’ny tsena koa anefa dia mbola iharan’ny kolikolin’ireo zandary sy tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra. Voatery manakatona ny tsenany ireo mpandraharaha vokatry ny tsy fandriampahalemana kanefa i Tsiroanomandidy no anisan’ny mpamatsy omby be indrindra eto amintsika. Raha ny tokony ho izy, hoy ity mpandraharaha ity dia ny alakamisy teo no nisy omby niakatra farany teto an-drenivohitra satria izay no nifanarahanay mpihary omby raha nivory ny 13 mey teo.  Efa tsy voafehin’ireo tompon’andraikitra intsony moa ny toe-draharaha ka dia mitaky ny fialan’ireo tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny faritr’i Bongolava sy ny manodidina mihitsy izy ireo. Na ny zandarimaria na ny prefektiora sy ny atitany voakasiky ny fanadiovana daholo fa manamaimbo ny ezaka ataon’ny fitondrana, hoy izy.Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ireto mpandraharaha amin’ny omby ireto ary ny 4 jona izao no tena hiato tanteraka ny famatsiana omby ireo tsena anatiny, tafiditra ao anatin’izany Antananarivo, raha araka ny fanazavana azo hatrany.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT