Toekarena

Famatsian-tsolika Ampy ny filàna, tsy tokony hikoropaka


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Nanamafy ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo fa milamina sy mirindra tsy misy ahiana ny famatsiana solika ny nosin-tsika nanomboka ny faran’ny taona 2019. Misy drafitra maty paika narahan’ny mpiantsehatra rehetra ka mizotra tsara ny fanafarana, ampy ny fitaovam-pitaterana toy ny sambo,

fiarabe fitaterana sy ny lamasinina hanaparitahana ny solika manerana ny nosy. Nisy fanafarana indroa avy na tamin’ny volana janoary (sambo Gulf Coral sy Maersk Gaen), na taminny volana febroary (sambo Maersk Kiera sy Flagship violet). Tamin’ity volana martsa ity dia nitohy soa aman-tsara izany satria efa nisy sambo voalohany « Silver Sawson » ny 13 martsa ary eo an-dalam-pamoahana ny solika noentiny ao Toamasina ny sambo « Flagship Violet » nanomboka ny zomà 20 martsa 2020 : Lasantsy : 16 tapitrisa litatra, solitany : 2,6 tapitrisa litatra, Gasoala : 52 tapitrisa litatra Jet A1 : 6,1 tapitrisa litatra. Ny tahiry azo amin’ireo solika vao nafarana ireo dia maharitra antsika amam-bolana. Ankotra an’ireo solika vao tonga anefa dia mbola betsaka ny tahiry fiandry mitoby ao Toamasina. Vao tapitra ny famohanan’ny sambo amin’ity volana Martsa ity dia andeha hiverina indray ilay sambo haka ny solika ho aminny volana Aprily. Ireo toby fitahirizana 2 lehibe eto Antananarivo (Alarobia sy Soanierana) dia feno tanteraka amin’izao fotoana. Ny vokatra taterina isan’andro avy any Toamasina dia betsaka noho ny filanny renivohitra sy ny manodidina. Mizotra an-tsakany sy an-davany ihany koa ny famatsiana ireo toby maro hafa manerana ny Nosy; hoy hatrany ny OMH. Ireto avy ny tahiry mitoby isaky ny faritany ny zoma 20 martsa 2020. Lasantsy sy gazoala Toamasina: 57 andro; 30 andro; Mahajanga: 54 andro, 59 andro; Nosy Be: 55 andro, 30 andro; Toliara: 31 andro, 23 andro; Antananarivo: 20 andro, 29 andro; Antsiranana: 18 andro, 29 andro; Fianarantsoa: 28 andro, 17 andro. Ny famatsiana ireo faritra ireo avy any Toamasina dia mitohy hatrany tsy misy tomika. Ny fahatongavan’ny sambo manaraka hanohizana ny famatsiana ny Nosy dia efa voalamina ihany koa. Misy fepetra iraisam-pirenena izay nampifanarahana amin’ny zava-misy eto an-toerana napetraka hahafahana mandray ny sambo sady manaraka tsara ny toromarika momba ilay 14 andro napetraka hanakanana ny fiparitahanny aretina Covid-19. Noho ireo antony voatanisa ireo dia ampy tsara aminny filana isanandro ny solika eto Madagasikara. Marihina ihany koa fa ny fitangorongoronana dia manome vahana ny fiparitahanilay otrikaretina coronavirus, hoy ny OMH.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT