Toekarena

Famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina Ny Malagasy no mahafantatra ny laharam-pahamehany


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny herinandron’i Eoropa ny fihaonana narahina adihevitra mikasika ny banjina ara-toekarena notontosaina tetsy amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano omaly alarobia 08 mey.

 

 

 

 Tanjona ny hikatsahana hatrany ny tombontsoan’i Madagasikara ny amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona eoropeanina. Nivoitra tamin’izany fa manana ny fahalalahany tanteraka i Madagasikara hametraka izay fandaharan’asa laharam-pahamehana ny amin’ny famatsiana vola atao aminy mba hiteraka tombontsoa ho amin’ny Malagasy rehetra. Malalaka ny Malagasy amin’ireo sehatra maro toy ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana, ny angovo  sy ny fikajiana ny tontolo iainana ary ireo maro hafa izay hahazoana famatsiam-bola amin’ny vondrona eoropeanina. Tsiahivina fa vola 492 tapitrisa euro no efa navoakan’ny vondrona eoropeanina ho an’i Madagasikara anatin’ny vatsy ara-toekarena ho an’ny fampandrosoana andiany faha-11.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT