Toekarena

Famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina Misy ezaka maika tsy maintsy atao vao azo ny FED-11


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Omaly talata 2 oktobra no nanatanteraka fitsidihana an-dRamatoa minisitry ny fitantanam-bola sy ny teti-bola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona tetsy amin’ny biraony Antaninarenina ny ambasadaoro vaovaon’ny Vondrona Eoropeanina, Andriamatoa Giovanni Di Girolamo.

 

 

 

 Nivoitra tamin’ny dinidinika natao tao ny dingana efa nataon’i Madagasikara mahakasika ny tetikasa FED faha-11 sy ny mbola ezaka maika ho fanatanterahana izany, indrindra ny fandrindrana ny amin’ny tokony ho izy ny fifandraisan’ny mpamatsy vola sy ireo fahefana eto Madagasikara misitraka ny tetikasa. Tsiahivina fa nahazoana famatsiam-bola mitotaly 518 tapitrisa Euros na 2 064 810 160 000 Ariary (1dolara=3986, 12Ar) ny FED tamin’ny taona 2014 ary haharitra hatramin’ny 2020 ny tetikasa. Ny 230 tapitrisa Euros na 916 807 600 000 Ar amin’io dia natokana ho amin’ny fotodrafitrasa, ny 130 tapitrisa Euros na 518 195 600 000 Ar dia ho amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny 145 tapitrisa Euros na 577 987 400 000 Ariary kosa no ho amin’ny fanjakana tsara tantana ary 8 tapitrisa Euros na 31 888 960 000 Ariary ny fanampiana ny fiarahamonim-pirenena.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT