Toekarena

Famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina Laharam-pahamehana ny ady amin’ny fahantrana


  • Alarobia 08 Mey 2019

Nanomboka omaly talata 07 mey tetsy amin’ny Parvis Analakely ny fankalazana ny herinandron’i Eoropa izay nampirantiana tranoheva maro nampahafantarana ireo tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola.

 

 

 Nisy ihany koa ny fanehoana an-tsary ny mombamomba io vondrona io: ireo firenena mpikambana ao aminy, ireo tompon’andraikitra efa nitondra tao. Nanamafy hatrany ny ambasadaoro sady filohan’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina, Giovanni Di Girolamo fa saika miompana amin’ny ady amin’ny fahantrana eto Madagasikara avokoa ny famatsiam-bola ataon’izy ireo. Tsiahivina ihany koa fa izy ireo no mamatsy vola betsaka indrindra amin’ireo mpamatsy vola miara-miasa amin’i Madagasikara. Efa mandroso tsikelikely i Madagasikara hoy i Giovanni Di Girolamo ary tanjona ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny, indrindra ny lafiny ara-toekarena. Manoloana izao fifidianana solombavambahoaka ho avy izao dia mitaky ny fangaraharana ny vondrona eoropeanina ary nilaza hanara-maso akaiky ny fizotrany mba ho eken’ny rehetra ny vokatra hivoaka eo tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony. Mitohy ihany koa ny fiaraha-miasa ka hisy hatrany ny famatsiam-bola ny amin’ny sehatra fahasalamana sy ny angovo, indrindra ny fanatsarana sy ny fanamboaran-dalana. Tetsy an-daniny, nilaza kosa ny minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo fa ilaina ny fampisehoan’ny governemanta ny fahavononana amin’ny lafiny rehetra ary anjarany ny mifampiraharaha tsara mba hitombo hatrany ny famatsiam-bola azo. Nanambara ihany koa ny tenany fa tokony hisy vokatra mazava amin’ny vahoaka Malagasy ny vola rehetra azo satria ireo mpamatsy vola rehetra ireo dia miezaka mijery ny tombony ho azy ihany koa. Araka izany dia samy tokony hahazo tombony ny roa tonta amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra hatao, hoy hatrany ny minisitra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT