Toekarena

Famatsiam-bolan’ny MIARAKAP Hanohanana orinasa 3 na 4 isan-taona


  • Talata 28 Martsa 2023

Taorian’ny famatsiana ara-bola orinasa Malagasy miisa 10 efa 5 taona teo amin’ny fandraharahana, miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanohanana goavana ho an’ny orinasa Malagasy mahomby ny Miarakap,

mamatsy ara-bola ireo “start-up” sy ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) mba hisandratra sy hiroborobo. Volabe hatrany amin’ny 6 tapitrisa dolara na 25 miliara Ar eo indray no hamatsian’ny Miarakap tetikasa 3 hatramin’ny 4 isan-taona eto Madagasikara, araka ny lahatsoratra navoakan’ny Agence EcoFin ny faran’ny herinandro teo. Niakatra ho 2 miliara Ar isaky ny famatsiam-bola izany, raha ny fampahafantarana. Ankoatra ny eto Antananarivo, dia voalaza fa hiitatra any amin’ireo tanan-dehibe hafa izany. “Manomboka izao hatramin’ny 2030, maniry ny hamatsy sy hanao tan-tsoroka ho an’ny orinasa miisa 300 eto Madagasikara sy ivelany izahay, ary hitondra anjara biriky amin’ny famoronana asa hatrany amin’ny 30 000 hisy fiantraikany miabo amin’ny olona marefo hatrany amin’ny 1 tapitrisa”, hoy I Emmanuel Cotsyannis izay mpandraharaha Frantsay-Malagasy sady Tale Jeneralin’ny Miarakap. Isan’ny politika tokony himasoana eto amintsika ny fampiroboroboana ny famoronan’asa amin’ny alalan’ireny orinasa madinika sy salantsalany ireny, kanefa isan’ny mbola olana ny resaka famatsiana ara-bola. Eo ny fanohanana ara-bola, fa mila hamoraina ihany koa ny fepetra satria isan’ny mampalaina ny mpampiasa vola na avy any ivelany na avy eto an-toerana ny fahasarotana ara-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT