Notokanana omaly alatsinainy 15 mey tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Ampefiloha ny ivontoerana manokana ahafahana mahazo sy mizara ny vaovao rehetra manitikitika mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona Eoropeanina sy i Madagasikara.
Anisan’ny hanamarika azy ity ny fampahafantarana ny rehetra mikasika ny antony sy ny karazam-panampiana azon’ny vondrona omena antsika, raha ny fanazavan’ny minisitra Athalah Beatrice. Mbola ho baraingo kosa ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasantsika sy ny vondrona Eoropeanina, raha ny filazany hatrany. Araka ny fantatra dia ny taona 2020 no tapitra ny fifanarahan’i Cotonou. Tany anatin’ireo fihaonana ara-politika nataony niaraka tamin’ny governemanta dia nanindry mafy ny hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny fametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny fanamafisana ny ady atao amin’ny fanondranana ny harem-pirenena ary ny fanajana ny zon’olombelona hatrany ny Eoropeanina. Sombintsombiny avy amin’ny ilay 518 tapitrisa euros famatsiambola amin’ny alalan’ny FED 11 no nampanantenaina fa ho azon’i Madagasikara. Hita ho miahiahy ny amin’ny fifandraisana amin’ny mpitondra HVM ny vondrona Eoropeanina. Ny filoha Hery Rajaonarimampiniana ihany koa etsy an-kilany tao anatin’ilay fandaharana “fotoam-bita” dia nanatsidika fa ela ny fivoahan’ny famatsiam-bola avy amin’ny tandrefana ka ilaina ny fifampiraharahana sy fiaraha-miasa amin’ny tatsinanana, tahaka ny Sinoa ohatra. Samy nilaza ho afa-po tamin’ny fiaraha-miasa tao anatin’ny 60 taona anefa ny roa tonta.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.