Toekarena

Famatsiam-bola amin’ny tetikasa Akohonakà Mpiompy akoho 30 nahazo 530 tapitrisa Ariary


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Natolotry ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo 30 mianadahy mpiompy akoho fakana nofo sy akoho mpanatody lava ny famatsiam-bola ao anatin'ilay tetikasa "Akohonakà" avy amin'ny fandaharanasa nasionaly Fihariana.

 

 

Omaly teny Iavoloha no nanatanterahana izany izay nampirisihana azy ireo hanao ny asa ho matihanina. Nanambara ny filoha ary nampanantena fa mbola hisy ny tombana hatao amin’izy 30 mianadahy ireto ka izay hita fa mendrika sy nahavita vokatra tsara indrindra eo amin’ny fahaiza-mitantana dia omena fahafahana hisitraka indray tetikasa lehibe kokoa. Tsiahivina fa mpiompy avy amin’ny Faritra 3, Analamanga, Boeny ary Atsinanana, nanana faniriana hivelatra amin'ny seha-pihariana akoho manatody lava na akoho fakana nofo izy ireo. Eo anelanelan’ny 9 hatramin’ny 36 tapitrisa Ariary ny famatsiam-bola azo arakaraka ny isan’ny akoho nompiany sy ny halehiben’ny toerana niasany. Mitentina 530 tapitrisa Ariary ny totalin’ny famatsiam-bola nomena azy 30 mianadahy ireo ho famatsiana ny sakafon’ny akoho, ny hanaovana vaksiny, ny fanaraha-maso ireo zanak’akoho izay mahatratra 40 000 isa any ho any. Tosika lehibe ho azy ireo ny fisian'ity tetikasa Akohonakà ity hanitarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana atao. Tanjona eto ny hanova mihitsy ny fomba fisakafon’ny Malagasy ka hihinanana ny henan’akoho azo hanoloana ny henan’omby, hoy ny fanazavan’ny filoham-pirenena. Hisy akony amin’ny toekarena ihany koa ny tetikasa satria sady afaka hamorona asa no hampitombo ny vokatra ary indrindra mamelona ny fiharian’ny mponina. Mialoha ny tena hidirana eo amin’ny asa dia hanaraka fiofanana ara-teknika sy ny fomba fitantanana mandritra ny 4 andro izy 30 mianadahy ireo. Tetsy an-daniny, nanazava ny mpikarakara fa hitarina amin’ny faritra hafa ity tetikasa Akohonakà ity. 60 Andro aorian’ny fanombohan’ny tetikasa no hanaovana ny famerenam-bola voalohany ary avy eo mitohy isaky ny avy mamoaka vokatra izany ka vinavinaina ho isaky ny 60 andro eo. Manana 18 volana izy ireo hamerenana ny vola amin’ny taha ambany 5%.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT