Nankatoavin` ny filankevim-pitantanana eo anivon` ny Banky iraisam-pirenena (BM) ny fanohanana ara-bola an` i Madagasikara izay mitentina 75 tapitrisa dolara hahafahana “miatrika ny krizy ara-pahasalamana sy mametraka fototra ho amin` ny fanarenana maharitra”.
Nanamafy hatrany ny solontenan` ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira, fa “ity famatsiam-bola ity dia hanohana ny ezaky ny fanjakana Malagasy amin` ny famonjena ain` olona, amin` ny fanohanana ny olona marefo sy amin` ny fiantohana ny asa ka hametrahana paikady ara- politika sy hanamafisana ireo andrimpanjakana hahafahana mametraka fototra ara-tsosialy sy toekarena mafy orina ». Etsy ankilany, teboka fito kosa no neken` ny fanjakana Malagasy fa arahina mba hahafahana misitraka ity tohana ara-bola ity. Tafiditra amin` izany ny fametrahana fepetra ho an` ny sehatra tsy miankina toy ny famolavolana drafitra nasionaly marolafy vonjimaika sy drafitra mifanaraka ny filan` ity sehatra ity ary fandraisana fepetra amin` ny fanamorana ny fampindram-bola ho an` ireo orinasa. Isan`ny notakian` ny Banky iraisam-pirenena ihany koa ny mangarahara. Araka izany, nampanantena ny Fanjakana fa atsangana ny “fonds de réponse Covid 19” hiantohana ny mangarahara amin` ny vola mivoaka vonjimaika sy ho fanamafisana ireo fepetra amin` ny fanaraha-mason` ny trosa. Marihana fa ampahany amin` ny “facilité de crédit rapide” avy amin` ny Tahirim-bola iraisam-irenena (FMI), no sady tohana fanampiny avy amin` ny AFD (Agence Francaise de Développement) sy ny Banky afrikanina ho amin` ny fampandrosoana (BAD) ary fandraisan`ny G20 anjara amin` ny fanafoanana trosa faobe. Araka izany, dia tafiakatra 476 tapitrisa dolara ny fanampiana vonjimaika an` i Madagasikara avy amin` ireo mpamatsy vola momba ny ady amin` ny COVID 19 sy ny loza voajanahary, hatramin` ny niandohan` ny taona, izay mitentina 3,1% amin` ny harin-karena faobe (PIB).
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.