Toekarena

Famaritana ny karamam-panjakana Samy mody fanina ny sendika sy ny minisitera


  • Zoma 09 Jona 2017

Samy mahay milalao ny tandrify azy, raha izay no azo ilazana azy, ny avy eo anivon’ny fivondronamben’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana eto amintsika sy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Taratra io nandritry ny famelabelaran-kevitra izay niseharan’ny avy eo anivon’ny Transparency international sy ireo voakasika mivantana amin’ity savoro eo

 

amin’ny resaka karamam-panjakana ankehitriny ity tetsy amin’ny ENMG Tsaralalana omaly. Ry zareo mpiasam-panjakana izay milaza azy ho lasibatry ny fanaovana tsinontsinona moa dia mbola mitana ny heviny ny amin’ny tokony hijerena akaiky amin’izay ny fanatsarana ilay mari-karama tokana sy sahaza arakaraka ny andraikitra sahaniny ary mbola taratra tao anatin’izany fa adihevitra mbola mipetraka ny mikasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana eto amintsika.

Miroso amin’ny fangaraharana

Araka ny fanazavan’i Rado Razanatsimba, tale teknika misahana ny lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola dia efa miroso amin’ny fangaraharana mikasika io resaka io ny minisitera ankehitriny ary porofon’izany ny famelana malalaka ny sarambambem-bahoaka hitsidika ny tranonkalam-pifandraisan’ny minisitera sy ny famelana hanatona tomponandraikitra hanazava mikasika ny tontolon’io resaka karamam-panjakana io, toy ny didim-pitondrana mifanitsy amin’izany sy ny sisa. Iny taon-dasa iny izao, hoy izy, dia efa nisy 12 miliara ariary tamin’ny vola nihoatra noraisin’ireo mpiasam-panjakana sasany tafaverina ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Mitohy ny fanadiovana, hoy izy. Mikasika ilay mari-karama tokana kosa dia mbola miandry izahay hoe inona marina no tena vontoatin’ilay fitakiana ahafahana mahita ny marimaritra.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT