Toekarena

Famahana ny olana ara-toekarena Tsy maintsy mila fitoniana politika


  • Talata 27 Martsa 2018

Nanomboka omaly no notanterahina tetsy amin’ny hotely Carlton ny fihaonambe ara-toekarena nasionalin’i Madagasikara. Sambany no nisy an’izany teto ary ny faribolan’ny mpandinika ny hary sy ny toekarena eto Madagasikara (CREM) no nikarakara ity hetsika ity.

 

Iaraha-mahalala fa efa tena latsaka an-kady tanteraka ny toekarena Malagasy. Izany no antony anaovana ity fihaonambe ity ary iandrasana  indrindra ireo manampahaizana manokana momba ny toekarenana any ivelan’i Madagasikara na ny eto an-toerana.  Tamin’izany indrindra no nanambaran’i Gédéon Rajohnson, mpahay sady mpampianatra toekarena eny amin’ny anjerimanontolo tsy  maintsy hisian’ny fitoniana politika eto raha te handroso. Tsy maintsy hatao, hoy ihany izy ny fihavanam-pirenena ary mila mifamela heloka ny mpanao politika Malagasy. Rehefa vita izany dia ho mora kokoa ny miara-mandinika ny sehatra rehetra hampandrosoana ny toekarena. Ankoatra izay dia nanamarika izy ny tokony hametrahana ho laharam-pahamehana ny sehatra fanabeazana. Ilaina ampandrosoina daholo ny sehatra rehetra tahaka                                                                                                               ny fambolena, fizahantany, harena ankibon’ny tany fa ny maika dia ny fanatsarana ny fanabeazana. Io mantsy no fototra hamolavolana ny toe-tsaina ka miteraka fahatongavan-tsaina sy                                                                                                                                                                                                                              fandraisana andraikitra haingana. Ny olombelona no loharanon’ny harena kanefa izy ihany koa no fototry ny fanapotehana rehefa tsy manana fahalalana. Nanamarika ihany koa ity mpampianatra toekarena ity fa tsy tokony hoeritreretina akory ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana. Raha sanatria ka tsy ho tanteraka io fifidianana io, hoy izy dia vao mainka ho potika hatrany ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany. Manara-maso antsika tanteraka mantsy ireo firenena maro indrindra ireo manankarena sy mpamatsy vola. Hatreto aloha, miankin-doha tanteraka amin’izy ireo ny fampandrosoana ny toekarena Malagasy.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT