Toekarena

Faly Ramakavelo “Fahaleovantena ara-toekarena aloha”


  • Zoma 23 Jona 2017

Mahaleotena ianao rehefa mahavita manome sakafo sy mamatsy ny filana fototra ao amin’ny firenena, hoy i Faly Ramakavelo.

 Ilaina fehezina ny zavatra tena ilaina ao amin’ny firenena, toy ny fanafody, sakafo… ary tokony ho vitantsika Malagasy. Tsy voatery ho vita daholo ny zava-drehetra fa farafahakeliny dia manana ny fahaleovantena ara-toekarena satria tokony ho vitantsika ny mamatsy ny filana mivantana. Tsy voatery mitrosa isika satria lasa ny mpampindrana no mibaiko. Raha mbola mitrosa amin’ny olona avy any ivelany isika dia izy no mametra sy mifehy ny zava-drehetra, kanefa tsy hisy ny fahaleovantena raha tsy ny fahaleovantena ara-ekonomika aloha no mipetraka, raha ny fanazavany. Ny zavatra tsara ho fantatra dia tsy misy resaka fampindramana ny  fifandraisana eo amin’ny firenena roa fa ny tombontsoa no tena katsahina sy harovana amin’izany. Rehefa manome vola ho antsika ny mpamatsy vola dia ny tombontsoany no katsahiny. Hatreto aloha, mbola iharan’ny domina tapany handoa erany ny fanjakana Rajaonarimampianiana, kanefa mbola mirehareha fatratra. Raha vitantsika ny mamokatra ny zavatra tokony haondran’ny vahiny aty dia tsy afaka manondrana intsony izy, ary mihena ny tombotsoany ary izay no tokony hezahina tsikelikely. Mila miova fomba fisainana isika satria ny foto-pisainana “néolibéralisme” na ny foto-pisainana tsy misy fihantrana no iainana eto amintsika amin’izao fotoana izao, ka tokony hifampitsinjo ny mahantra sy manankarena. Matoa anefa mitombo ny an’ny sasany dia vao mainka mihena ny an’ny hafa. Ny ahafahana misoroka an’izany dia ny manam-bola no tonga saina hitarika mahantra amin’ny alalan’ny fizarana sy ny fampianarana ny mahantra hahafahana misintona azy. Mila manampy ny olona sahirana amin’ny fampiasam-bola miteraka tombontsoa ho an’ny rehetra, toy ny famoronan’asa. Ilaina ny mifanampy, fa raha mbola ny toe-tsain’ny tsy fifampitsinjovana na ny “néoliberale” no misy eto dia na ny antonony aza mbola hihetry.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT