Toekarena

Faktioran’ny Jirama Misy fomba fikajiana vaovao


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Kamio miisa 25 no naparitaka amin’ny Fitantanana Iraisam-paritry ny JIRAMA hahafahana manafaingana ny fidirana an-tsehatry ny teknisiana raha misy tranga na fitarainan’ny mpanjifa ilàna izany.

 

 

 

 

Ankoatra izay, dia misy ny fanamaivanana ny masoivoho, amin’ny alalan’ny fomba fikajiana vaovao « facturation par lot » manerana an’i Madagasikara, isan’ny fanavaozana entin’ny JIRAMA. Tanjona ny hialàna amin’ny filaharam-be isaky ny fotoana fanefana faktiora ary ny hizarana ny faktiora mandritra ny volana itsahana. Amin’ny « facturation par lot » dia ny fandaniana latsaky ny 30 andro no hefaina ao anaty faktiora, mandalo in-droa any an-tokantrano ny « Releveurs » maka ny mariky ny fandaniana ary manatitra ny faktiora afaka telo andro. Tsy misy fiovana fa ao anatin’ny folo andro ihany no hanefana ny faktiora. Ho an’ny faritra Analamanga, dia handalo in-droa ny « Releveur » amin’ity volana mey ity ka ny voalohany dia hanatitra ny faktiora volana aprily sady haka ny mariky ny fandaniana ary ny faharoa kosa hanatitra ny faktiora volana mey.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT