Toekarena

Faktioran-jiro mety hiakatra 80-100% Miantso vonjy sy fanohizana dinika ny GEM


  • Talata 28 Jona 2022

Miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra mpanapa-kevitra sy ny Jirama mba hisian’ny tena marimaritra iraisana amin’ny hiakaran’ny faktioran-jiro

ireo orinasa sy indostria tsy miankina ao anatin’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar). Miantso ny hanohizana ny fifanakalozan-kevitra mba hivoahan’ny sandan’ny faktiora sady tsy hamono ny andaniny no tsy hamono ny ankilany ny GEM satria tsy afapo tamin’ny dinika natao ny herinandro lasa teo niarahan’ny Jirama, Banky Iraisam-pirenena niresahana momba io fisondrotana io GEM raha haravona ny fanambarany. Mahatratra 80 hatramin’ny 100% mantsy ny vinavinan’ny fiakarana ho an’ny sokajy “moyenne tension”, araka ny soso-kevitra niainga avy amin’ny Jirama. Telo herinandro lasa teo moa no efa nilazan’ny Jirama fa tsy maintsy hisy ny fanintsiana sy fampiakarana faktiora ho an’ny orinasa sy ny indostria ao anatin’ny Optima business eo anivon’ity orinasa ity. Tokony mba ho voalanjalanja hifandraika amin’ny fifandanjana ara-bolan’ny orinasa anefa izany mba ahafahana mitazona ny asa, ary indrindra mba hitazonana ny sehatry ny indostria indrindra ireo izay tena ain-dehiben’ny firenena, izay ahiana hanjavona. Manantena izahay fa mba hisy ny marimaritra iraisana, izay ahafahana manarina ny Jirama kanefa mba hahafahana mitazona ireo orinasa sy indostria, hoy ny Vondron’ny orinasa tsy miankina. Loza mitatao ho an’ny tontolon’ny fandraharahana sy fampiasam-bola eto Madagasikara indray io resaka angovo vao mainka hidangana io. Efa hatrizay no tsy voajery loatra ny orinasa tsy miankina, izay lasibatra tamin’ny valanaretina coronavirus, tsy nisy tena tohana avy amin’ny Fanjakana,… Izao indray hotataovana fidangan’ny faktiora, kanefa betsaka no mbola tsy niarin-doha akory. Mahatratra 500 miliara Ar ao anatin’ny herintaona ny tohana ara-bola ho an’ny jirama raha ny voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana saingy mbola tsy ahafahana mitsinjo ireo orinasa sy indostria izay efa mitsipozipozy ny ankamaroany sady mbola manampy trotraka ny delestazy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT