Toekarena

Fakana an-keriny Miharatsy laza i Madagasikara


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Loza amin’atambo no ateraky ny fakana an-keriny hanaovana fampihorohoroana ny takalon`ny aina amina vola. Tsy fantatra intsony izay tena marina sy ao ambadik`io fomba ratsy io.

 

 Maro ny tranga fakana an-keriny nisesy tamin`ity taona ity ary tsy mba misy ny fitoriana kanefa vola tsy tambo isaina no takian`ireny tambajotra tsy mataho-tody ireny. Ho an`ny teratany vahiny manokana, tsy hay raha misy ambadika politika fa raha ny loharanom-baovao dia fandrahonana no atao azy ireo. Tsy fantatra mazava fa ny vola azo avy amin`ireny no nanaovana propagandy satria nisy olona akaiky tamina kandidà ho filoham-pirenena no voarohirohy tamin`ity resaka kidnapping ity. Tsy misy fanavakavahana fa na vahiny na tompon-tany dia samy mandry an-driran`antsy avokoa noho ny loza mitatao. Lasa misy fiantraikany any amin`ny olo-tsotra ity asa ratsy ity ary mizaka izany amin`izao ny tontolo any ambanivohitra. Tsy misy afa-tsy ny fanampiana ny isan`ny mpitandro ny filaminana no azo atao ary hamafisina ny sampandraharaham-pitsikilovana sy ny fiarovan-tenan`ny mponina any ambanivolo. Ho fanampin`izany, tokony hiverenana dinihana ihany koa ny momba ny dina. Lasa fanao sy niverimberina io asa ratsy io ka manaratsy endrika an`i Madagasikara hatrany. Inona no ataon’ny manampahefana e ? Mahakasika ny asa fakana an-keriny izay nihanahazo vahana tato ho ato, naverina ny “cellule d`enquete mixte” (CME) hisahana ny asa fakana an-keriny ka ho hita izay vokany.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT