Toekarena

Fahombiazan’ny firenena Mila tanora mianatra


  • Talata 13 Aogositra 2019

Nankalazaina omaly alatsinainy 12 aogositra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora. Hadino tanteraka ny tanora hatramizay, hoy ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Tinoka Roberto kanefa manome 60% amin’ny vahoaka Malagasy.

 

 

 

 Araka izany dia tsy maintsy hatao izay hianaran’ny tanora rehetra mba ho tena lasa lavitra ka afaka manana ho avy mamiratra, hoy hatrany izy. Tsy maintsy miara-misalahy anefa ny rehetra ary tompon’andraikitra amin’izany ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny fiarahamonina ary ny fitondram-panjakana. Tsy maintsy hojerena haingana ny olan’ny sehatra fanabeazana ary tsy ekena intsony ny havitsian’ny tanora manampahaizana eto amin’ny firenena. Raha 100 mantsy no ankizy miditra eny amin’ny ambaratonga fototra dia zara raha misy 6 monja no tonga eny amin’ny anjerimanontolo. Olana ihany koa ny tsy fahitana asa ary na ireo manana ny mari-pahaizana ambony aza dia hita ho sahirana amin’ny fitadiavana asa. Maro, araka izany, ireo ezaka tsy maintsy hatao ary tompon’andraikitra ny rehetra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT