Toekarena

Fahitalavitra nomerika Efa tena mahaliana ny Malagasy


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Mihamaro ireo tolotra misy mba hisitraka fahitalavitra nomerika ny eto Madagasikara.

 

 

 

Efa betsaka ihany koa ny Malagasy liana amin’izany na dia vitsivitsy aza no mahatakatra noho ny fahefa-mividy ambany. Amin’izao taona vaovao 2020 izao dia manome tolotra fitsinjovana ny mpanjifa ny Startimes.  Ho an’ireo mpandoa ny tolotra 20 000 Ar dia hisitraka ny fandaharana rehetra hita ao amin’ny tolotra 40 000 Ar izy ireo mandritra ny 30 andro. Ho an’ireo mpandoa ny tolotra 40 000 Ar kosa indray dia hahazo 1 volana amboniny ihany koa. Tsiahivina fa 37 ny firenena efa mampiasa ny tolotry ny Startimes ary anisany i Madagasikara. Araka izany dia afaka hijery ny Euro hotanterahana ny 12 jona hatramin’ny 12 jolay ny Malagasy satria efa nahazo alalana ity orinaas ity tamin’ny volana aogositra lasa teo. Tsara ny ezaka maro ataon’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fahitalavitra nomerika saingy mbola olana mipetraka hatreto ny fahefa-mividin’ny Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT