Toekarena

Fahefa-mividin’ny Malagasy Efa tena latsaka ambany


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Mahatsapa ny mpivarotra ankehitriny fa mihen-danja tanteraka ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Amin’ny lafiny haingo, ohatra, dia nanambara Ramatoa Manitra sy ireo namany mpivarotra ao amin’ny AVANCE CENTER Behoririka fa tsy misy ny tsena raha oharina ny tamin’ny taona 2017.

 

 Ny janoary tokoa mantsy, hoy izy, no volana fifampiarahabana ho an’ny mpianakavy, mpiara-miasa na mpiara-mivavaka ka ijeren’ny maro ny akanjo sahaza amin’izany. Zara anefa raha misy mividy ankehitriny ny entana amidinay, hoy ihany izy ary ny tena mampalahelo dia misy fotoana tsy mahalafo na dia iray aza izahay mandritra ny herinandro nefa izahay tsy manondrotra vidin’entana.  Ny hofan-trano anefa  tsy maintsy aloha amin’ny sinoa ary misy sazy amboniny raha sendra tara ny fandoavana izany. 500 000 Ariary hatramin’ny 1 000 000 Ariary ny hofan-trano ao amin’ny Avance Center amin’ny ankapobeny. Manoloana izany dia misy fotoana izahay mamono antoka mihitsy na mandefa masonkarena rehefa teren’ny tsy fisian’ny tsena toy izany, hoy ihany ireto mpivarotra ireto. Efa mipaka amin’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy ity fahefa-mividy latsaka ambany dia ambany ity ary taratry ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra ankehitriny.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT