Miisa 906 ireo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana nomen`ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE)
tamin`ireny tetikasa maro samihafa nanomboka ny taona 1977 ka hatramin` izao. 35% dia avy amin`ny harena ankibon`ny tany, 18% mahakasika ny indostria, 1% amin`ireo tetikasa mandinika hafa izay mitana ny taha ambany indrindra. Ny zava-misy eto Madagasikara dia maro ireo seha-pitrandrahana tsy manara-dalàna izay nitarika ny fahasimban’’ ny tontolo iainana. Isan` izany ny fitrandrahana volamena izay mitana ny antsasamanilany mahery amin`ny fanomezana fahazoan-dalana eto amintsika. Miroso ny fampandrosoana faritra raha miditra amin`izay fanarahan-dalàna izay ary ihany koa ny fanamafisana ny fanajàna ny tontolo iainana. Tsy azo leferina kosa ireo izay mahazo fahazoan-dalana ara-dalàna hosoka ka manainga ny fiaraha-miasan`ny rehetra eo amin`ny fitorohana ireo tetikasa mahazo fahazoan-dalana hisokatra an-tsokosoko ny ONE manomboka izao, hoy i Laurent Ampilahy, tale jeneralin`ny ONE. Miisa valo ny dingana sy fomba fanomezana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ka any amin`ny farany indrindra vao misy fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Raha misy fanomezana an-tsokosoko izay, hoy izy, dia havoaka amin`ny vahoaka eto amin`ny tany sy firenena. Hisy ireo tomponandraikitra hanao fanadihadiana ka horaisina ny fepetra. Nomarihan`i Laurent Ampilahy fa tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetikasa rehetra vao azo tanterahina na io sehatra tsy miankina na ara-panjakana. Ny tetikasa Tanàmasoandro dia efa nandefa ny taratasy fangatahana teo anivon` ny ONE ary efa ao anatin`ny dingana hanaovana fitsirihana amin`izao fotoana, hoy ihany izy. Nohamafisiny ihany koa fa tokony hanaraka ny fepetra apetraka ny rehetra izay nahazo fahazoan-dalaana sy ireo teboka izay voafaritra ao anatin`ny bokin`andraikitra. Mety hiafara amin`ny fisintonana ny fahazoan-dalana izany raha tsy voahaja ny rindran-damina, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
ami`n ireo izay mampiasa fahazoan-dalana ara-tntolo iainana hosoko sy antsokosoko
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.