Toekarena

Fahatrarana toaka tsy ara-dalàna Mitentina 10.000 ariary isaky ny litatra no lamandy aloa


  • Zoma 04 Martsa 2022

Hisy ny vovonana hanara-maso ny tsenam-barom-panjakana rehetra, raha ny fampahafantaran’ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha fitantanana ny hetra.

 Ankoatran’izay dia fepetra momba ny hetra voarakitra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola ho amin’ity taona ity ihany koa eo amin’ny resaka vola miditra ny fanesorana ny hetra ho an’ny vola miditra ho an’ny fanjakana Malagasy na “IR”. Nesorina ihany koa ny resaka tsy maintsy fisiana fiahiana fara fahakeliny na “micro-assurance”. Nahena 20% fa tsy 50% intsony ny hetra mifandraika amin’ny famokarana angovo azo havaozina sy avy amin’ny sehatry ny fambolena, fizahantany, indostria, asa vaventy na BTP. Nomarihina anefa fa tetikasa mifandraika amin’izany izay nanomboka tamin’ity taona 2022 ity ihany no natao hisitraka io taha 20% io. Mikasika ny resaka fanafarana alikaola na toaka kosa dia ilaina ny maka alalana raha eo amin’ny sehatry ny fitsaboana vao mahazo mikirakira izany. 430 ariary no alaina ahafaha-mandraharaha sigara. Hiitatra any amin’ny resaka fitaterana ana habakabaka manomboka izao ny fakana hetra momba ny resaka solika. Momba ny hetra ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra kosa dia tsy maintsy manao tombana momba ny fitantanam-bola ireo tomponandraikitry ny kaominina. Misy ireo karazan-ketra lasa nampanankinina ny kaominina. Isan’izany ny hetra ivelany fa tsy natao ho tantanan’ny DGI intsony. Tantanan’ny kaominina koa ny hetra momba ireo pilaonina fa tsy natao ho tantanin’ny faritra intsony. Mitentina 10.000 ariary isaky ny litatra kosa no lamandy amin’ny fahatrarana fitondrana na fikirakirana alikaola tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT