Toekarena

Fahatongavan’ireo vary nohafarana Matahotra ho matiantoka ny mpamongady


  • Talata 12 Desambra 2017

Nahitana fidinana 50 ariary monja ny vidin’ny vary makalioka, raha ny hita teny amin’ny tsenan’Anosibe omaly. 2200 ariary teo aloha ary efa tafidina 2150 ariary.

 Karazam-bary miisa 7 vao nohafarana indray no tonga tao amin’ny tsenan’Anosibe omaly. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra dia maherin’ny 1000 taonina ireo vao tonga ireo. Mandra-pahatapitry ny taona kosa dia hiverina, hoy ny fanazavana, fa ho feno ilay 500.000 taonina ny nohafarana. Efa nisy moa ny fanapariahana ny vary manerana ny faritra, raha ny fampitam-baovao, toy ny any Antsirabe, Ambondromamy, Mahajanga. Matahotra ny ho fatiantoka indray aza izahay, hoy ireo mpamongady manoloana ny fahatongavan’ireto vary vahiny ireto. Tuc tuc, Boum boum, Line Hourse ary Family moa no ampahany amin’ireto vary avy any Inde sy Pakistan ireto.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT