Toekarena

Fahatapahan-jiro lavareny Lasibatra hatrany Itaosy sy ny manodidina


  • Talata 17 Oktobra 2017

Efa maro ihany izay fitraorana sy fitokonana nisy teny Itaosy sy ny manodidina izay noho ny fahatapahan-jiro matetika loatra eny an-toerana saingy tsy voavaha hatramin’izao ny olana.

Omaly dia nisy fahatapahana nanomboka tamin’ny 4 ora sy sasany maraina ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 11 ora antoandro, hoy ireo mponina sy mpanjifa ny jiro teny Vinany , Andranonahoatra, Beravina, Ambavahaditokana, Itaosy hopitaly iny. Nezahana nantsoina ihany ny tompon’andraikitra teo anivon’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy (Jirama) hanome fanazavana mikasika ny antony nahatonga ny fahatapahana saingy tsy nety tratra antso. Efa sangy mihoatra ny loha, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mponina ny zava-misy. Ireo mpivarotra entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay tsy maintsy mitahiry ny entan’izy ireo anaty vata fampangatsiahana moa no tena mahatsiaro matiantoka rehefa sendra ny toy izao satria dia simba avokoa ireo entana amidy vokatry ny fahatapahana tsy nisiam-pampandrenesana mialoha. Tsy ny herinaratra ihany fa ny rano koa dia tapaka matetika eny amin’iny faritr’Itaosy iny, araka ny fitarainan’ny mponina hatrany.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT