Toekarena

Fahasimban’ny tontolo iainana 479 miliara dolara no very isan-taona


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Ny olombelona no tena fositra amin’ny fahasimbana sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Miseho izany amin’ny alalan’ny fanimbana ny zavaboary sy ny fandripahana ny zava-mananaina ao aminy. Araka ny tatitry ny “Globales Futures”

 dia efa mananika ny 479 miliara dolara ny vola very isan-taona noho ny faharavan’ny natiora. Raha mitohy izao dia hananika ny 10 000 miliara izany ny taona 2050 izay mitovy amin’ny harinkarena faobena firenena 4 mitambatra dia i Royaume Uni, Frantsa, India ary Brezila. Firenena 140 no nataon’ny fikambanana WWF fanadihadiana ary saika nahitana fahasimban’ny tontolo iainana goavana avokoa ireo. I Etazonia no voa mafy indrindra ary raha mitohy dia hanary hatramin’ny 83 miliara dolara isan-taona hatramin’ny taona 2050. Manaraka ayy eo I japon sy Royaume uni izay manary 800 miliara isan-taona. Noho ny tondra-drano, ny fahapotehan’ny sisintany, ny fahasimban’ireo mpiaro natoraly tahaka ny mangrove sy ny hafa no tena anton’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ny any amin’ny tany mahantra kosa dia hita ho mbola manjaka ny doro tanety sy ny fanapahana ala tahaka ny misy eto Madagasikara. Ity farany anefa dia anisan’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny zavaboary sy ny zava-mananaina ny taona 1995

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT