Toekarena

Fahasahiranana noho ny valanaretina Tsy misy mangirana hatramin’izao ilay fanampiana ny orinasa


  • Alatsinainy 19 Jolay 2021

Miatrika olana goavana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny FISEMA nasionaly na firaisankinan’ny sendika Malagasy, sampana nasionaly.

 Eo ny tsy fisian’asa. Eo koa ny fahambanian’ny fahefa-mividin’ny mpiasa amin’ny ankapobeny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Jose Randrianasolo. Ilaina ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara na ilay antsoina hoe “conférence des travailleurs de Madagascar”. Hisy ny fihaonana atao eo amin’ireo mpisehatra dia ireo mpikambana ao amin’ny CTM, ahitana ny FISEMA, ny FISEMARE, SECRIMA, PM, SEREMA, FPRMM, SMM, USAM, CSTM amin’ireo vondron’ny mpampiasa amin’ity herinandro ity, raha ny tokony ho izy, hiresahana mikasika ny sata mifehy ny asa na “code de travail” fa eo koa ny resaka fanampiana ny orinasa sy fahafahana mitana asa ary fampiakarana karama. Fanontaniana mipetraka koa moa ny hoe aiza ny anjara birikin’ny fanjakana hanampiana ireo orinasa mba hahafahany miaina kely taorian’ireny valanaretina ireny? Nisy ny fampanantenan’ny fitondrana mikasika izany fa tsy misy mangirana ilay izy hatramin’izao. Tsy azo tazanim-potsiny koa ny fiakaran’ny vidim-piainana fa tsy maintsy hiresaka karama ny sendika. Ny olana dia marary ilay mpiasa nefa rehefa manentana azy hanao fitakiana mafimafy ianao dia izy indray no tsy rototra. Ny fijeriny anao dia toy ny hoe ampiasain’ny mpanao politika na sahala amin’izany satria ny fahatsapan’ilay mpiasa mihitsy indraindray no mijanona ho fimenomenomany fotsiny. Matahotra koa ireo mpiasa hoe sao ho hita any anaty hetsika any ny sariny dia tsy sahy. Misy fitaizana mbola mila apetraka be ao anatin’ilay izy, hoy hatrany ny FISEMA.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT