Toekarena

Fahapotehan’ny Air Madagascar Vokatry ny adalan’ny tetezamita


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Mikorontana ny kaompania ana habakabaka Air Madagascar amin’izao fotoana ary matetika no hisian’ny fanafoanana sidina.

 

Mikatso any Johannesbourg any Afrika Atsimo ny A340-300 izay tena miasa be amin’ny sidina iraisam-pirenena noho ny fizahana teknika sy fanamboarana. Voalaza ho misy piesy simba, kanefa tsy misy intsony satria tsy mamokatra intsony ny Airbus. Tamin’ny andron’ny tetezamita no nampidirana azy ity, ka ny 12 aprily 2012 no fandraisana teknika, izay ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny minisitry ny vola sy ny tetibola Hery Rajaonarimampianina sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar no nisantatra azy teto amintsika. Sidina faharoa dia efa nisy fahasimbana ny “détecteur d’incendie” tao amin’ny “réacteur”. Tsy mazava sy tsy mangarahara ny nampidirana azy io teto, izay nambara fa hofaina mandritra ny 6 taona. Tsy nijerena kalitao sy tsinjo lavitra, fa ny tombontsoan’olom-bitsy angamba no tena nahamaika ny mpitantana tamin’izany fotoana. Mbola zava-doza ihany koa taty aoriana ny fampidirana ilay ATR 72-600 ny volana martsa 2015, izay ahiana ho nisy kolikoly avo lenta hoe : sandan’ny fanafahana an’i Madagasikara tao anatin’ny “Annexe B” tsy afaka misidina tany amin’ny habakabaka Eoropeanina. Manodidina ny 77 tapitrisa dolara ny sora-bola voatonona tamin’ny fifanarahana momba io resaka fampidirana ny ATR 72-600 io, izay voalaza fa nisy bizina sy afera be tao ambadika. Potika sy bokan-trosa tanteraka ny Air Madagascar ankehitriny noho ny fitantanana tsy mahomby nandritra ny tetezamita, ka nisosoka tsimoramora ny kaompania Frantsay Air Austral amin’ilay hoe fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika hanatelina azy, ary tsy handoa ny trosan’ny Air Madagascar manodidina ny 250 miliara ariary mihitsy. Miha mahazo vahana ihany koa ny kaompania hafa, toy ny Turkish Airlines izay miditra malalaka noho ny “Open sky”, fa ny Air Madagascar kosa kely sisa dia ho rendrika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT