Toekarena

Fahamehana ara-pahasalamana 200 miliara ariary ho an'ny drafitra sosialy


  • Zoma 22 Mey 2020

Araka ny fanombohana ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020 (LFR 2020) dia navoaka tamin’ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo ny mamaritra izany.

 Mibahana hatrany ny akon’ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana araka ny tatitra. Araka izany dia nidina hatramin’ny 1858,8 miliara ariary ny fampidiran-ketra eto amin’ny firenena. Ankoatr’izay dia nitombo 2034,9 miliara ariary ny fanampiana sy famatsiam-bola azo ary niakatra 646 miliara ariary ihany koa ny fandaniam-bolam-panjakana ankapobeny izay hifantoka kokoa amin’ny angovo. Etsy andaniny dia mitentina 200 miliara ariary ny tetibola natokana ho amin’ny Drafitra Sosialy anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana; ity izany ireo tohana ara-tsosialy isan-karazany hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka tena mila fanampiana. Amin’izany dia 108 miliara ariary no vola ilain’ny fitondrana ny amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Nisy ihany koa ny fankatoavana ny volavolan-dalàna mifehy ny fampidirana ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny famatsiam-bola mitentina 630 miliara ariary azo avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT