Toekarena

Fahaiza-manao vita Malagasy Nanome lanja ireo mpandraharaha ny orinasa Star


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Hanome lanja ireo mpandraharaha Malagasy ny orinasa Star amin’ny alalan’ny marika THB.

 

Voasarika tamin’ny foto-kevitr’i Nathalie Ndrianeva izy ireo tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Andao hifanohana, foto-kevitra nitsiry tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Raha tsiahivina kely dia natao hampahafantarana ireo mpandraharaha Malagasy madinika sy hanomezan-danja ny vita Malagasy ity foto-kevitra ity. Nankasitraka izany ny orinasa Star ka nanokatra lalao tao amin’ny pejy facebook ny ‘THB Madagascar officiel’. Tanjona amin’ity lalao ity ny hampahafantatra ireo mpandraharaha amin’ny sehatra samihafa sy ny fanohanana ara-pitaovana ny orinasa nosafidian’ny maro. Orinasa 382 no voatonina raha miisa 6 kosa no voatanisan’ny maro betsaka indrindra. Anisan’izany ny societe Fara, gouts fruites, Anna Creata, Atelier Trio….Niantso ny Sel sy ny orinasa Your Target ny orinasa Star nanaraka ny fangaraharan’ny valin’ny lalao sy ny fahamarinany. Ny jejoo Elle no nahazo ny safdin’ny besinimaro tamin’ny isa 13.550 ary nahazo fampitaova mitentina 10 tapitrisa Ar. Josh Tech kosa no nahazo ny laharana faharoa tamin’ny isa 11739. Mikasika ny fifaninanana sary ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny Eau Vive moa dia nampandalovina sivana roa izany ka ny 40% no nosafidian’ny besinimaro raha an’ny mpitsara ny 60%. Nahatratra 20 mahery kosa ny mpandray anjara nandefa ny sary izay samy mitondra ny lokon’ny Eau vive avokoa. I Angelo Ravelomanantsoa no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany izay notolorana tapis de course sy bon d’achat mitentina 500.000 Ar.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT