Toekarena

Faha 45 taonan’ny OMNIS Hifantohana anio ny mikasika ny hetram-pitrandrahana


  • Zoma 09 Jolay 2021

Nosokafana omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel de ville Analakely ny fanamarihana ny faha 45 taonan’ny OMNIS, na ny ofisy misahana ny harena an-kibon’ny tany sy loharano stratejika eto Madagasikara.

 Nisy noho izany ny varavarana misokatra momba ireo fitrandrahana rehetra mifanandrify amin’izany. Nisy ny adihevitra mikasika ny hoe ilaina ve ny fiovana fototra momba izay tontolon’ny fitrandrahana eo amin’ity sehatra ity izay, noho izany? Mandritry ny 3 andro moa ny fanamarihana ary ho amin’ity anio ity dia ny mikasika ny hetra momba ny fitrandrahana indray no isan’ny votoatin-dresaka. Ao anatiny ny hetra momba ny loharano stratejika. Matetika lazain’ny olona ho manimba tontolo iainana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika, hoy ny tale jeneralin’ny OMNIS, Nantenaina Rasolonirina. Isan’ny ady hevitra koa noho izany, hoy izy, ny hoe afaka miara-miasa ve ny resaka tontolo iainana sy fitrandrahana? Isan’ny ho jerena manokana koa ny mikasika ny fitrandrahana Oranioma sy ny mety ho tombontsoan’I Madagasikara ao anatin’izany. Ny sabotsy moa dia hifantohana amin’ireo toeram-pitiliana mikasika ny harena an-kibon’ny tany sy solitany ka hijerena izay tombony hananantsika izany eto Madagasikara. Zava-dehibe ny fahafahantsika mangataka ny rambon-tany atsimo satria mampitombo avo roa heny ny velarantanintsika izany. Ao anatin’izay no mety hisian’ny solika sy harena an-kibon’ny tany samihafa. Na resaka jono sy harena an-dranomasina koa. Raha hiresaka ireny fikarohana taloha nahafahana nanao ireny toeram-pitrandrahana toy ny QMM sy Ambatovy ireny isika dia isany koa izany ahafahana mitondra vokatsoa ho an’ny toekarentsika. Izany hoe tsy ny OMNIS mivantana no mitondra tombony mivantana ho an’ny toekarena fa amin’ny alalan’ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireny orinasam-pitrandrahana vahiny ireny ihany koa, hoy hatrany ny fanazavan’ity tale jeneralin’ny OMNIS ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT