Toekarena

Fadintseranana sy ny toekarena Mifampiankina tanteraka


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Nankalazaina omaly tetsy amin'ny Hotely Carlton anosy ny faha-200 taonan'ny fadintseranana sy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho azy ireo.

 

 

Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ireo mpiasa mendrika izay natrehin’ny Tale jeneraliny niaraka tamin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Ankoatr’izay dia tanjona ny fampahafantarana ny drafitra stratejika (plan stratégique) vaovao hentina hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fanavaozana ireo fitaovana eny amin’ny fadintseranana araka ny fanazavan’ny Tale jeneraliny Lainkana Zafivanona Ernest.  Misy mihitsy ny fampiasam-bola ny amin'ny fanatanterahana io drafitra io mba hitondra voka-tsoa ho amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Tetsy  an-kilany dia nanamafy ny minisitry ny toekarena sy fitatanam-bola, Richard Randriamandrato fa vonona ny hifanome tanana amin'ny fadintseranana mba hanatrarana ny tanjona napetraka indrindra ny fanafainganana ny fombafomba izay mbola misy fitarazohana. Tena mifampiankina ny vola miditra amin'ny fadintseranana sy ny toekarena satria ny 45%-n’ny vola ao amin'ny kitampom-bolam-panjakana dia avy amin'ny fadintseranana avokoa ka rariny raha hanaovana ezaka manokana. Tsy tara ary azo hatsaraina ireo fomba fiasa amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fanamby apetraky ny eny anivon'ny fadintseranana, indrindra ao anatin'ny 3 taona manaraka. Anisan' izany ny fampiasana ny teknolojia vaovao tsy hianteherana amin’ireo fitaovana tsy manaraka ny toetrandro intsony (dématerialisation), eo ihany koa ny fanenana ny fotoana fikirakirana ny famoahana entana izay tena mampitaraina ny mpanjifa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT