Toekarena

Fadintseranana Malagasy Nanatanteraka andro manokana ho an`ny mpianatra


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Ao anatin` ny fankazalana ny faha-200 taonany, nanatanteraka famelambelaran-

 

 

kevitra tamin` ireo mpianatra avy amin`ny oniversite sy sekoly ambony tsy miankina momba ny ladoany ny Fadintseranana Malagasy ny faran`ny herinandro lasa teo. Nizara ireo traikefa, ny andraikitra sy ny iraky ny ladoany ary ny asan'ny ladoany ny tale jeneralin` ny fadintseranana Lainkana Zafivanona Ernest. Narahina fitsidihana ny birao foibe etsy Antaninarenina sy Mamory Ivato ihany koa izany. Raha tsiahivina, nandritra ny andro fanamarihana eran-tany ny fadintseranana, ny 26 janoary teo, dia nametraka fanamby ny Ladoany Malagasy ho fiatrehana ny 200 taona manaraka fa hametraka drafitrasa ho an` ny taona 2020-2023 hanatsarana ny ezaka vita teo aloha sy takin` ny asa fampandrosoana. Fanamby apetraka ny “iray dolara miasa, tokony hampiditra 136 dolara eo amin` ny toekarena”. Marihana fa mampiditra vola be ny fadintseranana ary mahatratra 48 % amin’ny kitapom-bolam-panjakana isan-taona ny vola hampidiriny eto Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT