Toekarena

Fadintseranana Malagasy Nampiditra 2462 miliara Ar ny jona - novambra 2021


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Nisy fihenana hatrany amin’ny 25% ny fanafarana entana sy fampidiram-bola eo anivon’ny Fadintseranana Malagasy ny taona 2020 noho ny valanaretina coronavirus,

 saingy efa miverina amin’ny laoniny izany, raha ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana Atoa Lainkana Zafivanonana Ernest. Ny volana jona 2021 no nanomboka niverina tamin’ny laoniny ny fanafarana entana, ka nanomboka tamin’io hatramin’ny faran’ny novambra teo, dia nahatratra 2462 miliara Ar ny vola nampidirin’ny fadin-tseranana. Nanome 96% ny fampidiram-bola. Somary sahirankirana ny voalohandohan’ny taona satria mbola tao anatin’ny coronavirus ary sarotsarotra ihany koa ny fanafarana entana. Lavabe ny fotoana nanafarana ny entana tamin’izany, ary nikorontana ny resaka « logistique internationale », ary isan’ny nizaka ny vokatr’izany ny fadin-tseranana Malagasy, mbola tsy tena niverina tamin’ny laoniny ny raharaha ara-toekarena maneran-tany. Nanomboka tapatapaky ny taona no nihatsara. Isan’ny tsara indrindra ny tamin’ny volana novambra izay nahatratra 289 lavitrisa, raha toa ka eo amin’ny 220 lavitrisa isam-bolana eo amin’ny fotoana tsara. Mampiditra 7,5 hatramin’ny 8 miliara Ar isan’andro eo ny vola ampidirin’ny fandin-tseranana Malagasy, fa misy fotoana tafiakatra 9-10 miliara ihany, ary ny novambra teo aza dia nahatratra 12 miliara Ar isan’andro ny salan’isa, hoy ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana noho ny fihatsaran’ny fanafarana entana. Eo ny fangatahana fampodiana ireo Malagasy telo voasambotra ahafahana mitsara azy ireo eto, ary eo ihany koa ny fangatahana fampodiana ny volamena. Vao nandeha iny fahatrarana iny, dia ny fifanakalozana eo amin’ny fadin-tseranana. Ny 31 desambra 2020 no nahatrarana izany, ary vao nisy an’iny dia efa niresaka tamin’ny Afrikanina Tatsimo aho, fa tsy ara-dalàna ny taratasin’ireo, hoy ity Tompon’andraikitra ambony ity. Miaro ny tombotsoany ny Fanjakana Malagasy, ary mbola ao anatin’izany amin’izao. Tao anatin’ny fakana am-bavany in-dimy na in’enina miantoana dia mametraka ho tombony ho antsika, hoy Atoa Lainkana Zafivanonana Ernest.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT